ny faran'ny fanantenako (cedarf)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa lainga izay sahy manambara fa misy fitia falifalyKanefa ny fony toa sasatra misento ka diso mijaly,
Sa manafina ny ady mahamay ka mitady handresy tomany,
Dia mionona fotsiny foana fa hoe ‘zany ny fomban’ny tany?
sa mihevitra ianao fa ny taona dia hitsinjo ny sainao sahirana?
Kanefa ny lalanao sarotra, ka noezahany mba niodivirana,
dia indro ianao fa manantena fa mbola ho avy ilay andro maraina,
kanefa ilay taona nandrasana, tsy nanampy anao mitaraina.
Dia lazaina fa be alahelo, ny ao am-po ka tsy mety mangina,
Ampiononona tsy mety tony, fa nisotro ny rano tsy tiana?
Kanefa ny sainao no diso izay nihevitra an’ito fiainana,
Ho naman-tsakaiza tsy foy, saingy indrisy fa toa fitarainana.
Dia nisento ianao ka nibanjina, irony kintana manganoano,
Ka dia niondrika lasa vinany; o ry vintana re mba tantano!
Aiza ho aiza ny fonao mitia ito tenako mahantra loatra,
Ka ny faran’ny fanantenako, dia ny fiainana mbola any ankoatra.
--------
Rohy:
Sokajy :
fanantenana