ny tenindrazanay (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivetso mangina ny tany mahantrako
Ny foko mahatsiaro ny harena eo aminy,
Raha mba ny saina ananany manko
No tonga miray: dia fandresena no valiny.

Saingy toa ady mirirotra foana
Ny fahantrana mandona toa henoim-potsiny
Ka satriko hanako fa zary toa moana
Ny fiadanana iriako aminy fa tsy ho nofiny.

‘Ty gasikara fonenan’ny nofoko e!
Any andro iray e! mba hanankarena
Ka ny fiteniny tsy ho nofinofiko,
Fa hanana hasina tsy mba hosena.

Fa hery hanodrotana ity fahalemena
Ny hevi-mijoro fa gasy hatrizay,
Ka teny hiresahana sy hifanekena
Fa tsy mba holevona mandrakizay
Ny tenindrazanay.
--------
Rohy:
Sokajy : tenindrazana
1297 1
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/04/2015 05:48)
tena tsara le tononkalonao e! hainao tsara mametraka le hevitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 19/03/2015 04:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103