raha lavinao (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misisika ho tonga ho anilanao ihany,
Kanefa voatsipaka lava ny fo,
Maniraka ny hevitro hisinda any ho any
Ho sambatra anilan’ny tiako taloha !

Maniry kanefa hatraiza no fetra
Mba azon’ny fonao omena ahy tomany,
Babo ny foko ; tia izy anefa
Raha toa ka tsy tianao dia tsy mba ho faly.

Maminy manko mba hianoka foana
Ny ora-pitiavana kely ankafiziny,
Kanefa raha lavinao izy efa noana ;
Fitiavana hafa indray no hikirizany.

Fitiavana ihany no anton’izany
Te hisonanika anilanao manko
Kanefa fandavana lava eny ihany
No tonga ao an-tsofiko manakoako.

Ka zary maniraka ny hevitro hitraotra
Ho sambatra anilan’ny tiako taloha,
Raha sendra ka lalina sy tafaohatra
Ny teny mandratra omenao ny fo.
16/05/15
--------
Rohy:
1490 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 20/05/2015 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853