raha sendra ianao ka manina (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tonon-kira nataoko mba ho anao
Raha sendra embonembona ny fonao sy ny tsiarony,
Ireny tambitamby sy teny mba natao
Raha sendra ianao ka manina, nataoko ho anao ny kalony.

Misy teny mamy nataoko tsy holazaina,
Kanefa ianao tomany ka tsy tantiko jerena,
“Mangina fa ny foko mbola tia ry sombin’aina,
Ny lasa mamintsika aza hataoko miverena”.

Raha sendra ka tsy tantinao ny takariva irery,
Fa atosiky ny aizina homanina ianao
Ny sainao lasam-borona, manidina sy very,
'ty ny tenako hitondra maraina vaovao.

Ny masonao tomany ka ny tenanao toa osany,
Ny fidradradradranao toa mampitsetra izato foko,
Fa toa oram-batravatra ny Ranomaso arotsany
Nefa indro ny fitiavako hapanginanao toloko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1100 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 28/03/2014 22:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2765