Rehefa tia ny fo (cedarf)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lazaiko anao ny fo, raha misy tiany manko
henonao midoboka, malefaka fanako;
maniraka fisainana hitety vazan-tany
hibanjina ny tiany eo ankianjan'ny vinany.

saina lasa izany!
no misy anao anatin'ny hariva mahamanina.
Indro ilay masoandro midify mody fanina,
tsy te hitondra hafatra ho an'ny tiany any
ka eo an-davarangana, misento foana ihany.

ny volana antsinana, nahakatry ny lanitra,
manazava tany, sa taratr'Andriamanitra?
dia tonga tao am-bava ny vavaka mangina,
mibanjina ao anaty ilay endrik'olontiana.
13/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 13/02/2015 10:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144