satriko (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mba satriko indrindra aho ho kintana irony
mamiratra fatratra sy mahasondriana
ny maso mijery azy tsy mahatony
ny fony fa eo izy dia mba variana

mba satriko indrindra aho raha volamazava
hamiratra foana maneran'ny tany
hitondra hazavana hahamirana lava
ny fo malahelo sy saro-tomany

mba satriko indrindra raha 'zaho no masoandro
hanala ny rahona be mitatao
ho fanantenana isan'andro isan'andro
ho maro mpaniry amin'izao tany izao

kanefa,

tsy ho volana akory no mendrika ahy
ty tenako ambanin'ny lanitra aza
mainka ny kintana ambony hatrizay
ho ahy zany toerana:tsy mba sahaza

kanefa, ny tanjona tiako hokasaina
handresy ny toeran'ny kintana ambony
hisondrotra foana no fanantenana
hisondrotra foana fa tsy mba hitony.
--------
Rohy:
Sokajy : faniriana
1283 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 02/03/2014 22:46)
TSARA E
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 28/02/2014 21:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102