takoninao tsy ho fantany (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handalo ianao fa saingy takony mba tsy ho fantany
ny endriko tomany,aza hasoritra ho hitany,
ny tsikinao fijeriny ataovy mba ho tsapany
tsy toy ny ranomasoko,tomany no soritany.

ry volana o tatero ho toy ny fifaliana
tsy ho fantany fa mafy,ny fijaliako aty,
lazao fa tena miadana aho,kanefa toa mangina,
mahatsiaro ny hasambarana tanivon'ny fitia.

ry rivotra aza tony ny dihinao mangina,
hanafosafo mora ny volony any ho any
ny onjanao malefaka mamelona hafaliana
ataovinao ho tsapany,fa safosafoko ihany.

ny raho-mitatao no etsy mba sikino,
raha sendra tady ho tazany ny masonao tomany,
ny hany mba fitsikiko no ento ka vimbino,
fa ny alaheloko kosa,no aleo ho ahy hatrany.

ataovy tena mino ny sainy fa fiadanana,
ny fiainako isan'andro alavitra azy aty,
mba ho tony ny fisainany ho an'ilay tiako mba hotantanana,
mba tsy hampitebiteby ny fony mbola tia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1174 0
Hevitra mandeha
DotMG ( 13/11/2013 06:15)
Tiako ilay tononkalo. Misy fanitsiana tsipelina vitsivitsy ireto, mahatery ahy ny hanoro rehefa mahita tononkalo mahafehy tsara ny voambolana malagasy toy izao, ary miezaka manaja tsara ny fiteny malagasy, tsy voatery ho marina anefa ny fanitsiana ataoko fa tari-dàlana ihany.

Takóny fa tsy tankony (fototeny takona, raha ilay heviny hoe manarona, mandrakotra)
Toy izany koa, takoninao fa tsy hoe tankoninao.

Tatero fa tsy tantero (fototeny tatitra, raha ilay heviny hoe mitondra, mampahafantatra ny zava-misy na ny vaovao)

Raho-mitatao fa tsy raho-mitataho (fototeny tatao, raha ilay heviny hoe lolohavina, mitsingevana eo ambony)

Raha sendra tady ho tazany (ny teny tambatra hoe hotazany dia milaza hevitra hoe mioty)

Dia mamporisika anao hatrany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 12/11/2013 17:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1396