tia (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho foana irony volana ka hanjombona ny alina,
Tsy hisy tara-pahazavana mba hitsinjo ito tany,
Tsy holefy tahaka izany, tsy ho foana fa ho lalina
Ny fitiavany raha toa ny fonao azy hatrany.

Raha ho tonga takariva ito dianao sariaka,
Tsy hanjombona tsy akory ny fitiavana ao anatiny,
Fa ny andro fotsiny ihany no ho tonga mangatsiaka,
Dia hoafanan’ny fony ny fitiavanao ry maminy.

Raha tsinapanao izany fony izany mantsy!
Ka mba misy hevitra hamakianao izay kobonony,
Fa fitiavana no ao, izay ho anao no tsisy rafy,
Ka hovinakinao ny fandeferana ononony?

Raha mba renao mantsy ny fitiavana toriany,
Fa ny masoandro mpanazava aza azavainy,
Dia mazava mihoatr’izany ny fitiavany ho an’ny tiany,
Ka fitiavan-tsy hita isa ho anao no mba lazainy.

Izany loatra manko ny fony rehefa tia;
Fa na volana aza mbola hitondrany anao,
Amin’ny nofy lalin’ireo mpifankatia,
Dia ilay volan’ny fitiavana izay ao anatiny ao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1334 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 06/05/2014 15:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269