velona foana (cedarf)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rendrika kanefa toa mbola sahy miarina,
Fitiavana efa levona, nitranga noho ianao
Izay tato am-poko lalina, nandoro nahafanina ;
Nanafotra ny foko izay mbola tia anao.

Làlana efa tototr’ireo fanadinoina
No mbola ikirizana hizaha anao sao lahy
Mba hisy anao hoantsoina,
Fa ny foko tia e! tena mbola mahatsiahy.

Lasa nofafana tao an-tsaina fa tsy very
Fitiavana narendrika tam-poko fa mitoetra
Endrik’olon-tiana manjaka anaty irery
Fo atatatatan’ny fitiavan-tsisy fetra.

Raha satrinao inoana ireo teny mamy keliko,
Raha babo ianao ka vonona hanjoy ny fanekena,
Omeko anao ny elatro, hafoiko koa ny heriko
Fa ny foko tia e! dia mbola manantena.
20/05/15
--------
Rohy:
1408 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 20/05/2015 18:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098