Ataoko toy ny hoe... (DadaRabe)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOKO TOY NY HOE…Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika,
Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana.
Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidin’any ho any.
Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina ‘zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka ts’hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny lasa kanefa anatiko any…
Ataoko toy ny hoe… kanefa anie ts’izany!
DadaRabe
Marseille
04/01/02 13:12
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha

mamonjy
(
06/03/2004 08:10)
Tena mahay mihintsy aloha i Dadarabe e! Efa namoaka boky sa tsia? Tandremo aho ho' aho hadino an. Tsy hamaky ny tononkalonao intsony aho raha vao tsy ilazanao hoe efa misy boky any ry Lanto.
Misaotra fa mahafa-po ny tononkalo
Misaotra fa mahafa-po ny tononkalo

DadaRabe
(
19/03/2004 20:19)
Tena misy boky any ry Lanto à!
Ny olana kely dia efa lany ilay izy. teneniko ianao rehefa misy indray ! marina é!
DdRb
Ny olana kely dia efa lany ilay izy. teneniko ianao rehefa misy indray ! marina é!
DdRb

nyeja
(
23/05/2004 19:27)
Ataoko toy ny hoe: mahay mihitsy ianao
dia ataoko toy ny hoe: ireo sanganasanao
mahafinaritra ahy
mampisy aingam-panahy!
Ny Eja
dia ataoko toy ny hoe: ireo sanganasanao
mahafinaritra ahy
mampisy aingam-panahy!
Ny Eja

sarondrahona
(
29/05/2004 12:26)
Ho vitako ohatr'izany ny lasako hatrizay ?
...
Ny efa sitrana aza, hanolatra eto indray.
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
...
Ny efa sitrana aza, hanolatra eto indray.
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Ryana
(
28/09/2004 07:11)
Dia tanàka aho DadaRabe nahita fa efa maherin'ny in-500 no nisy namaky ity tononkalonao ity tato!
Mankasitraka hatrany!
Ryana
Mankasitraka hatrany!
Ryana

Oully
(
04/05/2005 15:05)
Nitondra fifaliana ho ahy ny namaky ity sangan'asan'i Dadarabe ity tamin'ny lanonana fanokafana ny fikambananan'ny Havatsa-Upem teto Frantsa, niarahako tamin'i Fredy Jaofera. Mankasitraka Dadarabe a!
Andamioly.
Andamioly.

DadaRabe
(
04/05/2005 16:16)
misaotra Andamioly à!
nahafinaritra ahy koa nynamakianao azy ary indrindra koa ny tonokalonao.
Ny namanao DadaRabe
nahafinaritra ahy koa nynamakianao azy ary indrindra koa ny tonokalonao.
Ny namanao DadaRabe