AZA KAROHINAO ! (DadaRabe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza karohinao izay momba ny fiainany,
Na ireo fanaintainany
Na ireo fifaliana afeniny ao am-po,
Tandroviny tokoa
Ka tsy tiany aseho
Sy tsy asiany feo.

Aza anontaniana ireo tsiambaratelo
Izay hitanao mihelo
Ao anaty masony kanefa dia koboniny
Fihininy, tazoniny
Satria izay no sitrany…
Tsy fantatrao ny dikany !

Aza vinaniana ny anton’ireo tsiky
Nihelina dia dify…
Sy ny hevitry ny teny naloakany tsy nahy,
Nateliny indray
Dia nihery tao am-pony…
Tsy ho henonao intsony !

Aza fongarinao ny rakitry ny ela
Tsy foiny ho an-tserasera,
Aza takarinao ny ampitso feno nofy
Iondanany an-toky…
Fa eo izy androany
Dia tiavo fotsiny ihany !

DadaRabe
16/07/09 0 :00
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2216 1
Hevitra mandeha
mangamaso ( 04/08/2009 21:13)
Tononkalo mitondra hafatra
Mazava dia mazava izany
Ka hajaina DadaRabe !
Misaotra tompoko.
dadarabe ( 05/08/2009 00:33)
Mangamaso> Ohatry ny saika taitra kely aho hoe morce efa hitako izany ! kay tary am' balogy tary ! ;-)

Misaotra an'i Mangamaso
endrika01 ( 08/08/2009 03:44)
Marina izany!Aza dia karohana loatra ilay momba azy iny,fa ny volana sy taona no hamboraka anizany!
dadarabe ( 08/08/2009 09:59)
ie ! :-)
maeva74 ( 08/08/2009 10:01)
NO COMMENT
holyfenosoa ( 05/05/2010 14:51)
Tena marina dia marina !

Kanefa izaho mihintsy ilay mikaroka hatrany
ary koa te hahafantatra izay mba niandohany
nefa ankehitriny hihonona aho satria
avelako izy hangina f'izay no fitia
Jock ( 13/03/2015 04:41)
Izany ve no fitia! fanajana ny safidiny ? Amin'ny rariny kosa angamba
Eny ! Hangina tokoa ka tsy hiloa-bava. Satria ny tena, hainy tokoa fa efa diso latsa-paka
(Aza omena tsiny fa vinaninany e)
Merci Dadarabe an
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102