Efa fantatrao (DadaRabe)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
…EFA FANTATRAO…Efa fantatrao, f'ianao no antom-piainako
Mamin'ny fisainako,
K'izay rehetra ahy dia efa nomeko anao
Foiko tsotra izao,
Satria hatram'izao dia tsy hisy intsony
Na dia kely akory,
Ny afaka hisompatra 'ty foko efa tia…
Mitepo anao doria.
…Efa tsapanao, am-ponao tena lalina,
Tsy sarotra fantarina,
Fa ny sisa androko, tombony ho ahy
Dia ts'isy ahiahy,
Fa efa eny aminao no hany fiantefany
Sy hany mba lalàny,
K'izay rehetra lasa sy mbola ho avy koa
Dia efa anao tokoa.
…Efa hitanao, fa tsy mba nisy fitaka
Na hevitra saritaka,
Fa tena efa mazava ankehitriny ireny
Toky sy ny teny,
Ka indro ny ampitso dia efa tena antsika,
Tsy misy intsony hipiaka ;
Manaiky aho fa ianao no izao tontolo izao,
…Efa fantatrao !
DADARABE
Marseille (03/03/02)
--------
Rohy:
Sokajy :
FITIAVANA
Hevitra mandeha

DadaRabe
(
28/02/2004 13:41)
Miala tsiny amin'ireo namana fa tafiditra in-droa ity tononkalo ity satria diso ny anaran'ny mpanoratra teo aloha.
DdRb
DdRb

lanto
(
28/02/2004 17:25)
Efa voahitsy le izy dadarabe a !
Ary dadarabe aloha tena mahafinaritra e ! :)
Ary dadarabe aloha tena mahafinaritra e ! :)

mamonjy
(
01/03/2004 08:07)
Tsara foana ho' aho izay soratanao fa mba ataovy betsabetsaka ny tononkalo alefanao.
Misaotra Dadarabe a
Misaotra Dadarabe a

DadaRabe
(
01/03/2004 12:38)
Misaotra lanto amin'ilay mpanoratra diso teo à! tsy haiko hoe ahoana no nanitsy na nanala azy ka dia naveriko fanindroany.
handefa aho mamonjy à!
samia tsara herinadro é!
DdRb
handefa aho mamonjy à!
samia tsara herinadro é!
DdRb

Ryana
(
20/03/2004 16:29)
Mahafinaritra!
Ryana
Ryana

DadaRabe
(
20/03/2004 16:42)
manao ahoana ao Iarivo ao Ry Ryana?
tohizo ny revy an-tononkalo é!
DadaRabe
tohizo ny revy an-tononkalo é!
DadaRabe

Ryana
(
21/03/2004 08:20)
Miverina tsara am'izay ny andro ary DadaRabe â!
Efa lasa ny andro ratsin'i Gafilo!
Ryana
Efa lasa ny andro ratsin'i Gafilo!
Ryana