ENY AMBONY (DadaRabe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY AMBONY

Ny masonao nijery ahy
No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala,
Nientanentana fanahy
Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala !

Ny feonao mandangolango,
Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany,
Zary toy ny rapa-dango
Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany !

Ny endrikao misaridriaka
No masoandro manazava ny ao anatiko tontolo,
Toy ny vola-manjopiaka,
Ka ny fiainako rehetra toa voataratrao daholo.

“Tiako ianao”, hoy ianao,
Teo no naharendrika ahy...very tany ankoatra tany,
Asidim-pifaliana aho...
K’angamba hijanon’eny ambony, tsy hiverina eto an-tany !

DadaRabe
La Charité
06/05/06 12:37
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
2304 2
Hevitra mandeha
ravakarama ( 02/10/2006 17:40)
Tsara dia tsara ny tononkalonao Tompoko,satry foana hamaky azy,teny malagasy mavesa-danja,mifono hevitra mavesa-danja,ary mifanaraka tanteraka amin'ny zava-misy hiainana ao amin'ny sehatry ny fitiavana....
dadarabe ( 05/08/2009 00:38)
Ravakarama > Misaotra é!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099