Hatramin'ny nahalalako anao (DadaRabe)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN’NY NAHALALAKO ANAO !Hatramin’ny nahalalako anao…
Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ;
Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ;
Niova ny angolako s’ireny tambitambiko ;
Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ;
Niova ihany koa ireo voahary nojereko ;
Niova ny lalàna sy ny didy izay nekeko ;
Niova anie ny lalana sy faritra nodiaviko ;
Niova koa ny kanto sy ny zavatra notiaviko ;
Niova ny fahazarako s’ireny fombafombako ;
Niova ny fandrindrako ny asa izay natomboko ;
Niova ny fandahatro ny ora sy ny andro ;
Niova ny famantatro ny hariva sy ny atoandro ;
Niova ny fijeriko ny manodidin’ahy ;
Niova ny fandiniky ny foko sy fanahy ;
Niova ny famaritro ny mety sy voarara ;
Niova ny fandraisako ny ratsy sy ny tsara ;
Niova hatramin’ny fototry ny sorisorin-tsaiko ;
Niova ireo mamizana sy mankarary ny aiko ;
Niova ny tantarako s’izay rehetra amiko ;
Niova ny anjarako… ianao no lasa mamiko !
…Hatramin’ny nahalalako anao !
DadaRabe
Marseille
01/08/02 14 :40
--------
Lien:
Catégorie :
FITIAVANA
Commentaires
nyeja
(
20/02/2004 11:17)
ho an'i DadaRabe,
Ny mpanoratra dia poeta tahaka anao , Ny Eja no anarako ary ankafiziko ny sangan'asa izay nataonao "hatramin'ny nahalalako anao",
mankahery anao aho hanohy hatrany ny fiventesana ny aingam-panahy ao anatinao izany ary satria moa isika poety no nasaina hilaza izay tsy voalazan'ny olona tsotra ka dia faranako amin'ny hoe "ho ela velona anie ny asa soratra malagasy " izaho koa mpirevy gasy e
mankasitraka hatrany !
Ny Eja (mpankafy anao sady namanao vaovao raha sitrakao)

22/02/2004 14:25)
misaotra an' Ny Eja fa mpinamana isika é!
HHkely
(
23/02/2004 20:09)
tena niova be mitsy izany enao koh! mbola ho fantatro ve? 😊
aladin
(
24/02/2004 08:47)
tena favo be aloha ilay izy ryDadarebe a!mankasitraka dia tohizo fa tsara e!
Oully
(
28/02/2004 00:49)
Tena nirara-kivy aho teo am-pamakiana ny tonokalonao!
Lasa lavitra ny ainganao! Mirary ny soa hatrany.
Lasa lavitra ny ainganao! Mirary ny soa hatrany.
hery
(
28/02/2004 12:34)
Misaotra an'i Dadarabe tamin'ity sangan'asa ity.
Misaotra an'i Dadarabe indrindra ihany koa manome lanja ny takelaka vetso.serasera.org. Satria fanomezan-danja ny takelaka toa itony tokoa ny fametrahanao ny tononkalonao eto.
Mirary soa hatrany e.
Misaotra an'i Dadarabe indrindra ihany koa manome lanja ny takelaka vetso.serasera.org. Satria fanomezan-danja ny takelaka toa itony tokoa ny fametrahanao ny tononkalonao eto.
Mirary soa hatrany e.
mamonjy
(
01/03/2004 05:00)
Ho an'i Dadarabe
Tena mahay ianao ka! Mba mandefasa tononkalo maromaro.
Lanto no anarako
Misaotra betsaka
Tena mahay ianao ka! Mba mandefasa tononkalo maromaro.
Lanto no anarako
Misaotra betsaka
DadaRabe
(
01/03/2004 11:36)
Misaotra ny "namana" rehetra é!
Tena fantatrao ihany aho ry HHkely à! 😊)
Misaottra an'i Aladin sy ny lampe merveilleuse-ny !😊
tena lasa lavitra anie ilay nofy ry Oully é! indrindra rehefa mangatsiaka takariva ao anatin'ny ririnina mangina iny! 😞 soa fa nisy penina !
Hery no isaorana hatrizay ela izay é! raha tsy diso aho nisy tononkalo nangatahin'i Hery izay efa ho roa na telo taona lasa angamba izay, andraso tadiaviko.
Andraso fa handefa aho Lanto à! gaga ianao raha ilazako fa misy dimanjato mahery izy ato anaty ordinatera ato! loza !
DdRb

Ryana
(
20/03/2004 15:31)
Tokony mba alefa amin'ny gazety eto Madagasikara ny asasoratrao DadaRabe!
Tsara ê!
Ryana
Tsara ê!
Ryana
DadaRabe
(
20/03/2004 15:45)
misy matetika ao amin'ny tribune ry Ryana. Raha tsy ny avy aty Madagasikara no miteny amiko dia tsy fantatro ireny matetika. Ilay hoe "omeo toerana aho" iny no henoko hoe nivoaka vao haingana, dia ilay "natsangana".
DadaRabe
DadaRabe
Ryana
(
20/03/2004 15:48)
Hay ve? Tsy mba nahita aho!
Fa t@ fandaharana "Kidaona maraina" amina Radio privée iray no efa nahenoko tononkalonao novakiana tao.
Mankasitraka hatrany ê!
RYana
Fa t@ fandaharana "Kidaona maraina" amina Radio privée iray no efa nahenoko tononkalonao novakiana tao.
Mankasitraka hatrany ê!
RYana
DadaRabe
(
20/03/2004 16:00)
Ilazao vaovao ihany é!
DdRb
DdRb
sarondrahona
(
29/05/2004 10:35)
Raha samy niova daholo izao rehetra izao
Dia niova koa ny ora izay nahalalako anao
avy amin'i
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
( Mpankafy io tononkalonao io , sy ilay ZAKILININA...)
Dia niova koa ny ora izay nahalalako anao
avy amin'i
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
( Mpankafy io tononkalonao io , sy ilay ZAKILININA...)
HHkely
(
04/09/2004 18:28)
Sarondrahona,
zany an!
zany an!
Malalason
(
24/11/2004 10:38)
ouaouuh! tena dadany tokoa i rabe izany tsy madilana ho lazaina intsony fa de zay zany no zava-misy ao anatin'ny fifankahitana
Mankasitraka an'i Dadan'i Rabe dia mirary soa antsika rehetra
R. JO
Mankasitraka an'i Dadan'i Rabe dia mirary soa antsika rehetra
R. JO
DadaRabe
(
02/12/2004 13:21)
manao ahoana,
mampihomehy ahy koa ilay lazain'i malalason hoe "dadan'i Rabe". Ie, sady Rabe aho no dadan'i Rabe no zanak'i Rabe ary zafikelin-dRabe. 😊
Rabe
mampihomehy ahy koa ilay lazain'i malalason hoe "dadan'i Rabe". Ie, sady Rabe aho no dadan'i Rabe no zanak'i Rabe ary zafikelin-dRabe. 😊
Rabe
sonwin
(
05/12/2004 17:01)
Milay ..izay no azoko lazaina, zany ka haingam-panahy.
osrabn
(
10/05/2005 17:16)
Nitampim-bava fotsiny aloha aho teo am-pamakiana ilay tononkalo e! Misaotra betsaka Dadarabe a! Tena kanto ilay izy aloha e! Mamy aloha e!
doum
(
27/07/2005 18:56)
za koa za koa hiteny hoe tena tsara ry dadarabe ny tonokalonao marina e
tena misaotra anareo mpanoratra manome zvt tsara ho anay e
izaho tsy mpanoratra fa mitia tononkalo hatramin'nyfahazaza
ary de tena manovo zvtsoa mihitsy izahay mpamaky
misaotra eeee!
fa hono oa
mety afaka mahazo izan tononkalo efa ho 500 ao @ordi -nao ve izaho 😊

01/08/2005 13:40)
Omeo ahy ary ny mail-nao dia andefasako ianao é!
alefako miandalana eny.
alefako miandalana eny.