AMIN'NY FO MANONTOLO (Dah Nex)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FO MANONTOLORy tokana mamy manindry domoina
Ry malemy paika mandrava ambiroa
Ry kanto sy raitra tsy mety hadinoina
AINA no fetra raha ny antsika roa
Ry raozy manitra an-jaridaina
Ry kintana ravaky ny alina ambony
Ry taolan-tehezana silaky ny aina
Ny fiarahantsika tsy ho rava intsony
Ry voronkahaka tsara fihaingo
Ry vero-toetra malemy fanahy
Ry manim-pofona mandoko laingo
Tsy miova ny foko fa aza manahy
Ry fiangotiana tsy manan-tsahala
Ry voary meva mpanaingo tontolo
Ry olon-tokana fiantso ''MALALA''
Tiako ianao, amin'ny fo manontolo.
Dah Nex
03 Aprily 2025 === 05:33 minitra
Andramasina
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
