ALETEHO AN-TSAINA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALETEHO AN-TSAINA !

Aleteho an-tsaina ry mpino an-tanin'ady...
fa tsy nilaza mihitsy ny tenin'Andriamanitra
hoe ny tsara haingo indrindra isaky ny alahady
no indro hovonjena ary koa handova lanitra
fa aoka dia hazava...!

Aleteho an-tsaina fa tsy mora ny adintsika !
Tsy fombafomba ivelany ny asa fanompoana !
Ny fiangonana re olona tsy fanehoana bika
fa raha te handova lanitra? Manana aloha finoana !
Dia aoka hanetry tena...!

Aleteho an-tsaina... raha mpivavaka ianao
fa tsy mahatsapa ady sy tolona akory
dia aoka ho tonga saina....fa misy antony ao
Mandiniha aloha tena ...ndrao maty na matory
....ny ara-panahinao !
Izay no aleteho an-tsaina !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fivavahana
27 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014