ATO AM-PONAY FOANA ! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATO AM-PONAY FOANA !

Toy ny nofy letsy raha ny fiainana fahiny a!
Zary tsy mampino raha ny zava-misy androany hoe...
ialahy ilay tena namana mpamalifaly iny
no nantsoin-drafahafatesana niala teto an-tany !
Kanefa izay no lahatra ...!

Toa tsaroako etoana ilay ialahy mitsiky...
rehefa raikitra iny ny vazivazy kely !
Latsa-paka loatra raha ny finamantsika
ka tsy ho voafafana mihitsy na adino tsy velively...
na volana io na taona !

Dia....eto izaho misaona...!

Mamadika ho rima...ny embona mandalo...
Hitoetra ho fahatsiarovana tsy afaka vonoina !
Ny anaran'ialahy nataoko sombin-tononkalo*...
Io no famantarana fa ato am-ponay foana...
ny vitan'ialahy !

LAVENONA
--------
Rohy:
66 0
Hevitra mandeha
danielroimemy086 ( 10/04/2024 11:05)
Tononkalo nosoratana manokana ho an'Itompokolahy Gino Malala RAKOTOMANGA (namana tsy foy)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143