ETO FOANA I DADA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETO FOANA I DADA !

Tsy verivery foana raha ny ezaka ry zanako !
tsy ho very maina raha ny fikirizantsika !
Ho teniko eny foana fa raha toa ka mbola ananako...
ny fahaveloman'aina, dia tsy maintsy ianao tafita !
Izay atao an-tsaina !

Dia aza mitaraina...raha tsy eo intsony i Neny!
Fa Dada mbola velona sy vonona hitady !
Kamboty ianao kanefa ,averiko ombieny hoe...
Eto foana i Dada an ! Eto izaho hiady!

Eto izaho hiafy...sy vonona hitolona !
Hanafy anao mianjaika,na aza aho rovi-damba !
Eto i Dada hiaritra izay mety ho vavan'olona...
Afatsy hoe mandao an'ity tany ity angamba ?

Fa eto foana Dada...!
hikarakara hatrany, ka sady lahy no vavy !
Mandeha mipopopopo...mitady dokotera
rehefa sendra aretina ka iny ianao manavy
Sy vonona hanarina raha sendra ianao mianjera !

Eto foana i Dada...ho reharehanao !
Mirary anao tafita sy ho tojo izay irina !
Fa zavatra iray loha no mba hiangaviako anao...!
tsarovy foana foana rehefa sambatra any aoriana hoe...teto foana i Dada !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Dada
47 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 19:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152