FONJA TSY HITA MASO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONJA TSY HITA MASO

Fahafahana…! Fahafahana…!
Toa dradraina isan’andro
Mihitsy aza isan’ora
Andraindraina, fa kinanjo
Mbola maro itreo tanora
Voafatotry ny rojo
Hitanao mirijarija,
Nefa rakotry ny ankaso
Fa misy fonja tsy hita maso
Izay mamehy ny fiainany
Sy mangeja ny fisainany
Amin’ny fombafomba ankolaka
Dia fitaovana mamolaka
Ny sain-draolombelona
Ho donto sy domelina
Tsy hahatsiaro fivavahana
Fa raha izay fahafahana?
Toa tsy misy velively
Fa ny fampianaran-dratsy miely
An-tambazotran-tserasera
Ireny6 no andaniana lera
Sy andaniana fahana
Ka ny vokany sy fehiny:
-mihavendrana ny mpianatra
-ny Ray sy Reny raha mananatra
Dia tsinitsiniavina
Etoana dia tsiahivina fa…
-na ny ao an-tokantrano aza
Zary tsy mifampiteny
Fa na i Dada na i Neny
Na i zandry na i zoky
Dia samy tsy hahitana teny
Fa varianan’ny finday
Hany ka toa mangatsika
Ilay fitiavana hatrizay
Ary izao no tadidio
Fa io telefaonina io
Io ilay fonja izay nambarako
Io ilay fonja izay mamatotra
Ny olona eto an-tany
Ka mba saino ihany,hoe….
Ianao ve mba anisan’
Irdeo olona an-tapitrisany
Voageja anatiny ao?
Sa ianao ilay olona
Niady sy nitolona
Ka tsy hain’ny telefaonina
Gadraina sy fonjaina?
Tiako ianao hisaina!
Raha mampiasa azy ireny
Tsy hanita-pahadalana
Fa hanovo fahalalana

LAVENONA
13/01/22
--------
Rohy:
63 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158