HO AN’I ZOKY! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’I ZOKY!

Izany raZoky ny fiainana eto a!
Teren’ny vola ka dia miasa foana
Lavitra havana aloha isika hatreto
Ka nefa tsarovy fa mbola hiaona

Ilaozan’i Zoky ny vady aman;janaka
Noho ny asa izay efa mahazatra
Atao sanatria ny hitaraina hoe lanaka
Na ino-kidona na ino-kihatra

Na ora-mikija na koa hain’andro
Hiaretana hatrany tsy maintsy sedraina
Izany no iainan’i Zoky isan’andro
Ekema fa mafy ka nefa zakaina

Mbetika i Zoky no miampita lakana
Anaty ora maro ,fotoana maharitra
Nefa izany aza ataonao ho sakana
Lehilahy ny tena ka aoka hiaritra!

Mitety tanàna sy faritra maro
Mamaky ny ala,tsy mba mitaraina
Sarotra izany kanefa fantaro
Fa mbola hody ventiny ny rano natsakaina!!

LAVENONA
09/03/22
--------
Rohy:
53 2
Mpakafy: Felanarkt - tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151