ILAY FAMANTARANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FAMANTARANA

Andro fahatelon'ny volana Jolay
Fotoana iray nangidy, mihitsy tsy voafafa !
Indrisy...niala aina tao anaty trano may
noho ny adalana sy hetraketraky ny hafa...
...ilay namako tsy foiko!

Taorian'ny antso sy ny fampandrenesana
dia noentina ny tenako namantatra ny razana
ndrao isan'ireo dimy nindaosim-pahafatesana...
iny namako iny...na koa tsy mbola tazana !

Niezaka aho nijery narahina tomany...
no sady niala nenina nampiasa ny fahaizako
Minitra vitsivitsy dia tsikaritro avy hatrany
fa nisy famantarana ny an'ilay sakaizako !

Na aza efa kila ny endrika amam-bikany
ka tsy hitan'ity masoko ny fara-fahavelomany
dia...azoko inoana fa io no nofo mangatsikany...
manamafy izany ilay firavaka iambozonany !

Firavaka tsy foiny...tsaroako tsara iny !
izay no mba porofo sy marika niavahany !
io no fanomezana avy amin'ny olotiany
fony nitsingerina ny andro nahaterahany !
Io no famantarana !

LAVENONA
--------
Rohy:
39 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147