INDRISY RY TANIKO! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY RY TANIKO!

Rahoviana vao mba hiova
ianao ry Gasikara?
Fahantrana ve no lova
sy hany mba anjara
napetraka ho anao?
Angamba kosa Tsia o!
Tsia hoy aho satria...
ny olonao mihitsy
no misetrasetra loatra,
Ka raha misy te hivoatra ,
sy te mba hanao diangana...
dia indro fa voafingana.
Tsy misy mahavoadingana...
tokonam-pandrosoana
Fa avy dia vonoina
Izay mba manao ny marina
Ny hany mba tafarina ?
ireo mpanao ampihimamba
Ny vahoaka odiany jamba
Nefa dia fetseny ankolaka
Mantsy ireny be takolaka
Am-pamadiha-tanindrazana
Ny olona etsy mihidy vazana
Tsy mahita izay harapaka
Ny azy famatsiana tapaka
No hiasan'ny sainy !
nefa anie dia tsy ho zarainy
ho an'ny gasy velively
Ireny fanampiana ireny
Raha mba tonga eny an-tanany e!!
Fa dia lainga hamahanany
Ireo vahoaka efa ory
Sady tsy miantra akory
Fa maneho fitiavantena
Sy mambotry firenana!!

Indrisy re ry Taniko!!!!
Toa tsinjoko sahady
Fa vao maika ho any ankady
izato ianao ry GASIKARA
Ka ny taranaka any afara
no hibaby ireo trosa
Misavovona, miavosa
Izay nindramina hatrizay
Amin'izay fotoana izay.!
Ho SANATRIA ANIE IZANY !

LAVENONA
05/01/22
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
63 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015