ITONY TONONKALO ITONY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITONY TONONKALO ITONY

Itony tononkalo itony
No mba fanafodim-pony
Manasitrana ireo fery
Ary koa mba mampahery

eny itony no antsainy
Raha reraka ny ainy
kely hery sy torovana
Fa velom-pahatsiarovana

tsy mba afaka ao ambavany
mahamirana ny tavany
Na aza sendra ankaso
Ka mijohy ny ranomaso

Dia ...
itony tononkalo itony
No hany mba kaloiny
Mantsy ny antony dia izao
io no hitiavany anao

LAVENONA
--------
Rohy:
39 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147