MANDORO TANINDRAZANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDORO TANINDRAZANA

Raha iray ampiana iray
Hainao tsara hoe roa
Fa raha izay ala may ve ?
Tsy hiasanao loha!
Mihitsy aho te* hitroatra!
Na aza tsy mamono
Fa tafahoatra loatra
raha ny gidro no atono e!
Mbola hovidinao lafo
Ny tody sy ny valiny
Kasiho aloha ny afo
Dia ho tsapanao ny jaliny
Ka.....
Etoana aho hitaraina!
Fa i Madagasikara ?
satrin'ny adala
ho maina sady ngazana
Nefa tsarovy tsara , fa...
" IZAY MANDORO ALA dia.....
MANDORO TANINDRAZANA!"

LAVENONA
14/10/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Ala
47 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159