MIBEBAHA DIENY IZAO! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIBEBAHA DIENY IZAO!

Tsy misy mahavidy ny andro iainany
Ny olon-drehetra miaina eto an-tany
Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany
Rehefa mipaika ilay ora fialana

Tsy misy mahavidy ny lanitra koa
Izay mandao ny tany ka zary fanahy
Nefa samy maniry ny ho any avokoa
Ny olon-drehetra amin’izay andro izay

Tsy misy mahalala ny andro hahafatesany
Raha toa mbola manana nofo sy rà
satria ny harena dia tsy azo hatrefesana heo….
“hatraiza ny fetra izay tokony ho ahy?”

Ka aza miandry ny andro ho ampitso!
Vao hiova famindra sy hiala amin’ny ratsy
Izao no fotoana fa tsy rahampitso
Mba tsy hanenina ianao atsy ho atsy

Mibebeha dieny izao,fa aza variana!
Variana miliba amin’izao fiainana izao
Mivavaha dieny izao,ndrao tratra aoriana!
Raha tonga any ora dia” HO AIZA IANAO?

LAVENONA
01/02/22
--------
Rohy:
Sokajy : Fivavahana - Fananarana
67 2
Mpakafy: Felanarkt - tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158