MISAOTRA ANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAOTRA ANAO

Ho anao ilay sakaizako nanampy teny foana
nampahery hatrany tamin'ny andro nitarainako
namafa ranomaso raha sendra izaho nisaona !
Misaotra anao manokana fa nisy tamin'ny fiainako !

Ho anao tsy nanadino sy nahatsiaro ahy
tsy sasatra nanohana ary koa nitondra am-bavaka
rahalahy sy anabavy, ray sy reny ara-panahy
isaorako etoana tsy misy ankanavaka !

Ho anao ....!
Ilay voaloham-pitiavana nampianatra ahy nitia
Nivadi-pitokisana ka lasana nifindra...
Raha izay hoe hanozona ataoko sanatria fa...
Isaorako hatrany ianao nampianatra ahy namindra !

Ho anao ilay olo-tokana namehy ny ratra-poko
ianao no nanasitrana ireo fery anatiko ao !
Avahako amin'ny maro ianao ry mamiko tsy foiko...
Tolorako fisaorana satria tsy mba nandao !

Ho anao ilay tsy nitsahatra nanjohy ny tononkaloko !
Nankafy hatrany, mihitsy tsy mba leo !
Sarobidy loatra ka tena tsy voavaliko
Fa ny azoko lazaina ?...isaorako ianareo !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisaorana
69 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145