NY FAHAZAZAKO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHAZAZAKO

Raha mahita ireto ankizy
Mikarenjy izay tsy izy
Izato tenako amkehitriny
Dia mahatsiaro ny fahiny
Tamin’ny androm-pahazazana
Dia ilay ……,nilazana hoe
Miana-desona ao an-trano
Fa tsy mahazo mivoaboaka
Nefa avy hatrany dia mivoaka
Raha vao tong any maraina
Hanao kanety no ao an-tsaina
Miaraka amin’ireo ankizy
Tsy hainay fa hoe krizy anie..
Ny firenena tamin’izany
Fa ny anay ny hilalao ihany

Izay no masaka ao an-doha
Fa mbola vao maneno akoho
Dia tsy handry izay andehanana
Hahitana ireo namana
Mpitifi-borona mafana fo
Amin’izato pataloha
Efa mila tsy ho zaka
Feno fingotra sy baka*

Dia lasa izahay mandeha mihaza
Na dia fody iray monja aza
No mba azonay avy any
Dia natono avy hatrany
Izay ilay fiainana taloha
Tsy adino ihany koa
Ny “automobile” kapoaka
Fa na fiaravao nivoaka aza

Vitanay dika mitovy
Kely izahay nefa tsarovy
Fa mba nahavita tena tsara
Dia nangaina teo ny fiara
Kilalaon’ireo sinoa
Fa vitanay Tanana avokoa
Izao kilalao rehetra izao

Dia mamindra amin-joto
Izato tongotra maloto
Sy Tanana nilalao vovoka
Tsy heno intsony ny hanoanana
Masoandro mody vao faranana
Ny fiarahana mafana
Mamy sady mahatamana
Toa satrinay tsy hifandao
Fa mbola hiaraka hilalao

Nony hariva dia voadaroka
Ny hany hery dia mikaroka
Valiteny hiarova-tena
Mipitrapitra mahonena
Raha toa bedesina sy anarina

Dia izay no tena zava-marina
Toa lasa saina izaho mazana
Hoe:” ditra ve sa hadalana
Ny zava-bitako fahiny”
Raha toa tsy misy tsiny ,dia…
Valio izato tenako
Ny valiteninao no hitenenako
Ireto ankizy milalao
Mba tsy hanovany ny vitako!

Lavenona

Baka=(hazo misampana roa asiana fingotra entina mitifi-borona)
--------
Rohy:
71 2
Mpakafy: Felanarkt - tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153