NY FARA-FAHANGINANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FARA-FAHANGINANY

Iny fahanginany iny.....
Tsy nidika faharesena fa...
izay mangina volamena
Ka naleony tsy niteny
Na dia efa tahaka ireny,aza
Ny hadalana vitanao
Dia naleony tsotra izao
Nanakombona ny vavany,
Nefa hita soritra amin'ny tavany
Fa, misy angon'alahelo
Mitambolina ao ampony
Mila tsy ho zaka intsony

Iny fahanginany iny........dia
Nanambara zava-maro
Fotsiny izy tsy nivolana
Fa nozakainy ny azy ny olany
Tsy borahiny aminao ,
Tsy nataony ho fantatrao, hoe.....
ny azy anie io efa fiainany.
Ka nefa tsy mba nitarainany
Fa notazoniny ho azy irery
Indrisy nefa fa ny fery
Vokatry ny ratram-pony
No tsy maha eto azy intsony

Indrisy mantsy....!

Talohan'ny nialan'ny ainy
Dia indro fa notantarainy
Ny zavatra nataonao taminy
Izay tsy mba nisy maminy
Fa toy ny vahona mangidy
Dia naleony nisafidy
Ny ho lavitra tomany
Ka nilaozany ny tany
Izay no fara-fahanginany!
Indrisy mantsy !!!!

LAVENONA
30/01/22
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Embona - Alahelo
49 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145