NY FARAFAHANGINANY (LAVENONA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FARAFAHANGINANY

Iny fahanginany iny…
Tsy nidika faharesena fa….
Izay mangina volamena
Ka naleony tsy niteny
Na dia efa tahaka ireny ,aza
Ny hadalana vitanao
Ka naleony tsotra izao
Nanakombona ny vavany
Nefa hita soritra amin’ny tavany
F misy angon’alahelo
Mitambolina ao am-pony
Mila tsy ho zaka intsony

Iny fahanginany iny….
Nanambara zava-maro
Fotsiny izy tsy nivolana
Fa nozakainy ny azy ny olany
Tsy borahiny aminao
Tsy nataony ho fantatrao hoe….
Ny azy anie io efa fiainany
Ka nefa tsy mba nitarainany
Fa notazoniny ho azy irery
Indrisy nefa fa ny fery
Vokatry ny ratram-pony
No tsy maha eto azy intsony!

Indrisy mantsy….!
Talohan’ny nialan’ny ainy
Dia indro fa notantarainy
Ny zavatra nataonao taminy
Izay tsy mba nisy maminy
Fa toy ny vahona mangidy
Dia naleony nisafidy
Ny ho lavitra tomany
Ka nilaozany ny tany
Izay no farafahanginany
Indrisy mantsy!!!

LAVENONA
30/01/22
--------
Rohy:
80 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hevitra mandeha
danielroimemy086 ( 27/04/2024 11:09)
misaotra an'Ikalamako niantsa tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156