NY TENA NAMANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA NAMANA

Ny tena namana tsy mifanary
Na inona na inona zava-tsedraina
Mifameno toa rano sy vary
Iray vatsy sy iray aina

Ka raha misy ny ady lalovana
Eo ny namana hifampizarana
na dia mafy sy mahatorovana,aza
Zary maivana mora vahana

Ny tena namana tsy hamela irery
Raha sendra ny andro manjombona
Mampitraka ary koa mampahery
Ny fahoriana iaraha-miombona

Ny finamanana eo ihany ,fa indrindra
Ny fanampiana dia tsy latsa-danja
Toy tongotra miara-mamindra
Sy ny soroka miara-milanja
Izany no tena namana

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
65 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 19:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167