NY VAVAK'I NENY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vavak'i Neny no solona lakana
mitondra antsika tsy hidiran'angano
mihitsy azo inoana fa io no manakana
ny hery manafika ao an-tokantrano

Ka...na aza olana toa vatolampy
no indro mitranga tsy maintsy atrehina
ilay vavak'i Neny no indro manampy
ho andry manohana, solona tehina

Ny vavak'i Neny ? Toy ny arofanina!
miaro ny zanany tsy hihoa-pefy!
Ataony amin'ny fony ,tsy akory nindramina
Fa noho ny fitiavany tsy mety lefy

Izy miangavy hiarovana ny aiko !
mitalaho amin'i Ray tsy hamela ahy irery
Tsapako etoana ka indro lazaiko ,fa....
"ilay vavak'i Neny hay tena mahery !"

LAVENONA
--------
Rohy:
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0827