NY VETSONAY POETA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VETSONAY POETA

Ny vetsonay Poeta ?
rakotra ankamantatra...
sy saritsarin-teny
ka vitsy no mahafantatra
ny hevitr'izy ireny
Fa ny maro an'isa ?
babon'ny hakantony,
ady rima sy ny sisa..
Ny folo isan'jatony
no mba mamisavisa
ny hevitra koboniny!
Dia....
Ny vetsonay Poeta ?
Feno mistery....
mihitsy,izahay irery...
no mahafantatra ny marina
Fotsiny io amboarina,
tsy ho hitanao mivantana
Fa niniana nosoratana
Mba ho azonao kaloina
ho satrinao ventsoina
ary..ho ataonareo tsianjery
fa marina fonosiny ?
Aleo ho anay irery ..!

LAVENONA
21/11/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
50 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145