SAMBATRA IANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MANANA IANAO !

sambatra ianao...
raha mbola manan-ko tinafy
ary koa tsy mihafihafy
amin'ny resaka sakafo !
Mividy fiara tena lafo...
manam-bola aman-karena !
Ka nefa...
Raha mba manana omena
dia ampio ireo sahirana
mahantra mahonena !

Fa ny azy ireny tsy mba fidiny
no hizakany izato ngidiny
Amin'ny fiainam-pahoriana
Tsy misy toerana hatoriana
na fonenana izy ireny !
Fa dia eny an-dalana eny
no mba azony hiafiana !
Eny no hitampifiany ...
Ka ny lanitra no tafony!

Ary ny hany mba sakafony ?
Zary toa tsikoninkonina !
Mantsy ny ambin-kanina
avy amin'ny hotely
na koa ny poti-kanina
arian'ny olona eny...
Ireny no harapany !

Mihitsy tsy mba tsapany
izay hoe fahasambarana !
Tsy misy fitsaharana
ny olana lanjainy !
Fa fotsiny lazainy hoe...
" Tsy antsika ny handahatra
ny fiainana eto an-tany
fa efa izao aloha no lahatra !
Ka ny zavatra mba hany...
azontsika atao antsaina
dia misaotra an'Andriamanitra
fa mbola velon'aina.... !"

LAVENONA
--------
Rohy:
42 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162