TANDREMO RAMPANANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANDREMO RAMPANANA !

Sao mihevitra ianao hoe...
olona manan-katao
sy manam-bola aman-karena
dia sahy mihevitena
fa tsy handalo fahoriana !
Satria vola no hatoriana
sy hilomanosanao !
Ka manao ny tsy fanao
sy manambany ireo sahirana
tsy mahita izay mangirana
amin'ny fiainana efa sarotra !
Mantsy tsisy hiadiana varotra
ny saranga tsy mitovy !
Kanefa dia tsarovy fa...
zava-poana ny harena
raha toa fitiavan-tena
no entinao miaina eto !
Ny hany fantatra hatreto dia...
ny rehetra misy farany...!
Samy hahazo ny anjarany
sy ny valin-kahasasarany
ny olombelona eto an-tany !
Tsy misy vidiny amin'izany
ny vola be izay nananana !
Koa tandremo re Rampanana a !
Ovay malaky ny famindra !
Ny toe-tsaina indrindra indrindra
Mba hitsinjo ny mahantra
ka hanampy sy hiantra
ireo tsy manan-ko tinafy
mosarena sy mihafy !
Ianao no andrasan'izy ireo
sy hanandratany ny feo hoe...
" Mba mangataka re tompoko oo!"
Ary mety hampiova tampoka
ny fiainan'izy ireo
ny vola izay hatolotrao !
Koa tandremo re Rampanana a!

LAVENONA
--------
Rohy:
30 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0916