TANORA MIFIDY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANORA MIFIDY

Tanora aho kanefa tsy adala!
No sady nandia lakilasy !
Misaina ary koa mahalala
ny fiainan'ireo Malagasy !

Tanora fa tsy azo vidiana
na tambazana vola sy harena !
Fa mahafantatra izay hofidiana
hampandroso ity firenena !

Tanora tsy mora voatarika
raha toky tsy hisy ho tontosa !
Mijoro ka tsy mba voasarika
amin'ireo velirano mihavosa !

Mpifidy tsy resinao lahatra
amin'izay paradisa tsy hita
Fa mandinika tsy mba mitsahatra
ireo fampanantenana tsy vita !

LAVENONA
08/09/23
--------
Rohy:
Sokajy : Fifidianana
55 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142