TARATASY AVY ANY AM-PONJA (Taratasy 1) (LAVENONA)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY AVY ANY AM-PONJA

Miala tsiny letsy fa...sendra mba nahatsiaro...
dia nandefa taratasy sy anatra ho anao a !
Ka raha toa voarain'ialahy dia...tsarovy sy fantaro hoe...
aty am-ponja i zoky izao manoratra eto izao !
Nibaby ny hadalany !

Tsy vitan-drendrarendra ny fiainana lehity a!
Ny tanjona ny ditra koa tsy afaka miaraka !
Tsoriko aminao fa raha ny fiainanay aty an...!
Ny aina angamba letsy no hany tsy manaraka !
fa mafy tena mafy !

Tsaroan'ialahy moa zandry iny nofinofiko iny...
hoe ho lasa dokotera...mpitsabo sy ny sisa ?
Indrisy...! Tsy tanteraka izy ireny ankehitriny...
Aty am-ponja i zoky no mba mamisavisa...!
Voakaikitry ny nenina !

Zandry a!
Mitomany i zoky manoratra eto izao !
tsy noho izaho nigadra fa noho ialahy maditra !
ny sazy izay zakaiko ,aoka ho anatra ho anao !
Hendre ialahy razandry fa ny revy mety ritra a!

Tsy azo hivalaparana ny ora sy fotoana
Ny minitra nanoratana, tapitra sahady
Izay fa mampamangy dia veloma mandrapihaona !
Raha mbola velon'aina ka salama sy tomady !
Afaka roa taona !

Ny zokinao malala !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Anatra - Taratasy - Zandry - Zoky - Fonja - Alahelo
78 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 11:06
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149