TEBOKA TELO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEBOKA TELO

Raha tonga ny andro handaozana ny eto
fotoana voatendry hialana eto an-tany
Dia teboka telo no fantatro hatreto
ka indro ambarako anao androany:

Voalohany indrindra ireo fahadiranovana
fony fahavelony nodiana fanina
maty izy ireny izay vao tsarovana
havadika kosa vao hihinanan-kanina !

Manaraka izany dia ireo iray aina
ry mpiady lava sy be disadisa
vovoka sisa izay vao tonga saina
hoe "Tiako izy iny " ! fa nenina sisa !

Ny fahatelo kosa ny ray aman-dreny
raha mba mananatra...atao be marenina !
Efa any am-pasana tsy afa-miteny
Ireo zanaka indrisy kaikerin'ny nenina !

Samy ho hody vovoka isika olombelona
Tsy afa-manda rehefa tonga ny lera !
Ka mifankatiava raha toa mbola velona fa...
ny fahafatesana tsy mba miera !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
48 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 19:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156