TIA IANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA IANAO !

Tia ianao matoa...
falifaly foana raha sendra mba resahany
na mihomehy irery tsy fantatra hoe nahoana
masoandro mibaliaka ny fiainanao iarahany
Manembona matetika sy manina azy foana !

Tia ianao matoa...
Manofy ny eo anilany raha alina matory
Mikaroka ny sariny isaky ny mahatsiaro
Tsy mahafehy tena loatra na mba misaina akory
fa vao ny hafa no hitafany ,dia io fa saropiaro !

Tia ianao matoa...
Mahatsapa maharary rehefa miadiady kely
Na aza tsy hadisoana dia hifonana hatrany
tsy mivadi-panekena hampirafy velively
fa miharitra eny foana , na tsiky na tomany !

Tia ianao matoa...
velombelo-kira sy miramiran'endrika
ka mankafy irony... vazon'ny fitia irony
Miandry hatrany hatrany ilay fitia tsy mety rendrika...!
maniry te hahalala izay mba vetsovetsom-pony
dia tia ianao izay...!

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
102 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 19:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0516