TOKY OMENY ANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKY OMENY ANAO

Raha iny volana iny no....
azonao alaina akaiky
Dia izay aho vao manaiky
Fa ianao no tena enjana
Ny ankoatrizay dia v'enjana*
Ireo izay sahy miteny
fa ho alainy sy omeny
ary hatolony ny tiany
raha iny volana iny!
Fotsiny io mba toky
dia toy ireny boky
izay...tsara ivelany ihany
Fa ny any anatiny any?
Tsy azonao tombanana
Ilaina ianao mamaky ny tena andinindininy
Mihitsy mety hadinony
ny teniny fahiny hoe:
" ho atolony ho anao raha iny volana iny"
Any aoriana any !


LAVENONA
12/10/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
72 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337