TONOMBAVAKO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOMBAVAKO

Ray o ! raha ilaina
ny hazofijaliana
mihatra eo ami'ny fiainako
Intsony aho tsy hitaraina
fa lanjaiko ampifaliana
eny tsy hitarainako !

Ka ny saiko hohatanjahiko!
Ny herim-poko tsy ho very
fa vonona aho hiady !
Ary ny ara-panahiko
ho mafy sy mahery
na inona mianjady !

Ray o! raha mahasoa
ny hoaviko any aoriana
ireo zavatra sedraiko
Dia mba ovay ny fo
hahazaka fahoriana
izay mihatra amin'ny aiko !

Sitrano koa ireo fery
sy hirifiry anatiko any...
iriako mba ho afaka !
Dia aza avela irery
fa hareno hatrany hatrany
raha sendra ka solafaka !

Ray o! mba iriko
sy angatahiko aminao
na aza tsy voazavako !
Mihitsy tena tiako
raha toa henoinao
izato tonombavako !

LAVENONA
04/05/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - FIVAVAHANA - Alahelo
66 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183