TORITENY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TORITENY

Andro alahady no... nitranga ny tantara
Tao ampiangonana toy ilay mahazatra ireny
Teo ampifantohana nivavaka iny tsara no...
niteny i Pasitera tao anaty toriteny hoe...

"...mitsangàna kely hoe izay te mba hovonjena a !"
Tsy nisy tsy nijoro izay rehetra tonga teo fa...
toa samy tena vonona raha ny isa no jerena !
Rehefa vita izay dia...hoy indray izy avieo hoe...

"...raha toa ianao ry havana maniry ny hovonjena...
dia ilaina ianao mibebaka amin'ny fahotana aloha !
Manaraka an'izany dia ny fanoloran-tena no...
dingana manaraka ataonao faharoa ! "

...tsy ampy nefa ireo fa...mila faharetana...
ka tsy miverin-dalana fa miorina hatrany !
Na inona midona dia atrehina sy hiaretana
satria tsy moramora ny mankany an-danitra any....
ry havana malala !"

Lasa ny minitra , nikisaka ny lera
Ireo mpino tsy hay na vizana na noana sa ahoana fa...
nandritra izato hafatra nataon'i Pasitera...
dia mpino telo no hany mba no nijoro foana foana !

Mahitsy sy mafonja raha ny teny izay nambarany hoe...
"...raha toa alaina ohatra dia izy telo sisa
no hany voavonjy fa nijoro hatramin'ny farany
fa nihemotra sy reraka ny mpino maro an'isa... !"

"Mahazoa toerana ! " ...hoy i Pasitera avieo , namarana amin'ny vavaka !

LAVENONA
09/04/2024
--------
Rohy:
42 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 17:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144