TSIARO AZY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO AZY

Any izay izy any...!!
Efa tojo ilay niriny
sy akaikin'olo-tiany ♡!!
Ka...tsy manana ahiahy
Angamba tsy toa ahy, ...
Izay ory lalan-dava
tsy mba miramiran-tava
fa dia tibo-dranomaso
Sy hianjadian'ny akaso
Isan'andro vaky izao
Mantsy hatramin'izao, dia..
Zary ny gitara
no mba solon'olo-tiako
Ka io no hiangaliko,
Sy hikaloko irery
Irony hira mampahery
Sy mampionona irony
Eny,io no mampitony
Ny any anatiko any.
Rehefa tsapako injany,fa..
Mavesatra ny foko
Ehhh.............!!!
Any mantsy izy any!!!!
Mahazo teny mamy
sy horokoroka matetika
Efa ampoka sy tretrika
Nahazo ny anjarany.......ka
voatambitamby tsisy farany ♡♡!!!
Eny ee...!!!
Mantsy efa tsy mety intsony
raha ny hangalatra ny fony
ho baboiko trotra izao
fa ny azoko atao ,dia
manadino ny tantarany
Ndrao hanimba ny hasambarany
Any antanan'olo-kafa
Ka...............................!!!
Na ireo tafatafa
Sy ny tafasirinay
Ireo resadresaka hatrizay,dia...
Ho ezahiko hadinoina
iniako tsy ho tsaroana
Hatramin'ireo sarin-teny
eny,Ireny rehetra ireny
dia.....ho esoriko ato an-poko
Ka mba tsy ho hadisoako
dia..ho hajaiko ny safidiny
ho gohako ny ngidin'
ny sentom-pahoriako
fa rehefa sambatra izy
dia izay no fifaliako.
Hhhh.....!
Mantsy izaho no diso
Fa tsy izy velively!
Mantsy izaho no diso
Satria aho tara kely
Vao nanokatra ny vavako
nilaza ny fitiavako
Hiantefa tany ampony
Rariny raha tsisy intsony
Ilay fitia toa voninkazo
Tsy navelany halazo
Izay nomaniny ho ahy fahiny
Tsisy intsony izy ankehitriny
Fa efa natolony olon-kafa
Ka dia very sy voafafa
Raha ny momba rehetra
Satria dia nisy fetra
ny fotoana sy ny ora
Ka dia lefy moramora
Toy ny zavona maraina
Tao am-po sy tao an-tsainy
Ilay fitia izay nokoloiny
Indrisy, novonoiny
Fa efa hitany ny soloko
Hiara-dalana aminy
Tsy foiny sady maminy
Dia ilay tena tiany indrindra!
Indrisy.........!!!!!
Soa lavo hahay hamindra e!
Soa kenda hahay hitsako
Ka aleo hovaiko tsiky
Ireo sentoko hatrizay
Dia...aleo ny hoavy indray,no..
Hatrehina manomboka eto
Fa hofaranako hatreto
Raha ny fahatsiarovako azy.

LAVENONA
09/02/22
--------
Rohy:
79 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149