TSY MAINTSY TAFITA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY TAFITA !

Ny eto rankizy tsy vitan'ny haitraitra a !
raha toa tia hahatratra ny tanjona irina
tantely amam-bahona io ka dia mafaitra
fa kosa ny farany feno hamamiana !

Raha tia ho tafita tsy maintsy miafy
Vonony ny saina amin'ny fandavatena
Dia aoka tsy haingo na koa ny fitafy
no loha laharana fa fahendrena!

Ny eto ihany koa tsy mba vitan'angola
Na koa hiantehitra ray aman-dreny
Fa mety tsy haharaka ny azy ny vola...
sy vatsim-pianarana omen'izy ireny

Ny eto rankizy ...?
Ny fiainana mihitsy no atao lakilasy
Mampianatra anao amin'ny fomba famindra
Tsy vitan'ny vava ny mifehy taratasy
fa ilana fiharetana indrindra indrindra

Izany ka izany ny eto rankizy o !
ka nefa na mafy aza tsy maintsy vita
Ny firenena mandalo krizy
fa isika kosa " TSY MAINTSY TAFITA "

LAVENONA
16/02/2023
--------
Rohy:
31 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015