Eny (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ry fahafatesako,
Tiako, tsy tiako nefa tsy maintsy hiatrehako.
Nefa ahoana moa ilazako fa niaina ahy ?
Raha ianao no tsy nak'ahy.

Eny, ry fahafatesany,
Izay nanala azy teto an-tany,
Tsy nampilaza, tsy nampiely,
Fa tonga dia namely.

Eny, ry fahafatesany, ry fahafatesako,
Anjarany, anjarako ; ny hoaviny, ny hoaviko.
Nahoana ianareo no tsy namela hafatra ?
Nefa zavatra efa votsinjara, voalahatra.

Eny, ry fahafatesana,
Mafy ianao ary tsy azo lembenana ;
Hany mba azoko atao,
Dia ny mangina, tsy mieritreritra anao.
--------
Rohy:
1615 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142