Hadisoako ve ? (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadisoako ve ny nahita anao ?
Nihaona taminao, nifanena taminao ;
Niresaka taminao, nifandray taminao ;
Tsy haiko, ny valiny angamba anao.

Hadisoako ve ninamana anao ?
Niara-nilalao taminao ;
Tsy niala anao, tsy nahasaraka anao ;
Tsy fantako, ny valiny angamba anao.

Hadisoako ve ny nitia anao ?
Nieritreritra ny haka ny fonao ;
Satria nolalaiko ary tiako ianao ;
Tsy haiko, ny valiny angamba anao.

Hadisoako ve ny tsy niteny taminao ?
Ny hoe : tiako ianao ;
Satria natahotra ny tsy hoekenao ;
Tsy fantako, ny valiny angamba anao.
--------
Rohy:
1955 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
tsikikely ( 28/11/2007 14:16)
Tsy hadisoana angamba ny hetahetam-po fa ny fanantanterahana no tsy tao. Tsy mahafaty anie ny mamboraka fitia. Na tsia ary ny valiny. Sahia!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154