You are here: home > Vetso

Sahinao ve ? - Djaw

Azo vakiana?

Aleo very tsikalakalam-bola
Toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Sa ? Aleo very tsikalakalam-pihavanana
Toy izay very tsikalakalam-bola.

Ry Malagasy namana !
Nankaiza ilay soatoavina faha izay ?
Nahoana no manary havana ?
Leo ve sa izy no efa tsy milay ?

Ny vola no maha rangahy.
Kanefa manontany tena ahy.
Sahinao ve ny maka ny an'ny hafa ?
Mipetraka, mijery fotsiny ny anao ho voafafa !

Iza moa ianao ?
Raha very ny maha ianao ianao !
Ary hilamina ve ny sainao ?
Raha very ny hasin'ny Tanindrazanao !

Hametraka hevitra

Midira aloha