Heloka ibabohana. (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay ampirafesina
Ho lefitra ihany
Raha toa tsy renesina
Hoe nisy izany.

F'ianao ilay mibebaka
Miaiky hadisoana
Toa mainka manebaka
He izaho no esoina.

Raha hoe tati-bolana
Fosan'ny hafa
Tsy nataoko ho olana ...
Resa-tsôlafa.

F'ianao ilay manaiky
Vao main-mampangotika
Indrisy aho taraiky
Ny fo rotidrotika.

Ilay toetrany janga
No nampahafantariny
Heveriny angamba
Fa hoe hody rariny.

Tsy ho haiko ny hihafy
Amin-java-tsy tantiko
Vao mainka ho mafy
aza ny valifatiko.

DotMG, 27 janoary 2014
--------
Rohy:
1520 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138