Ho eo aho (DotMG)

Nantsain'i Ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hadisoanao sy ny tahotra
Hofafako f'aza miahotra
Raha voasingotra ianao, tsy afaka
Izaho no hianjera, ho solafaka
Ny hampifaly anao ry tiako
Izay no hany ho fifaliako
Ny fiainanao tsy hisy ankaso
na romoromo, ranomaso...

Ireo fitiavanao ho mendrika
Lavitry ny endrikendrika
Ka voambolana tsy ho hay
Izay fankahalana izay.
Homeko anao tontolo kanto,
Izay mirindra sy milanto
Tsy ho irery ianao n'oviana,
Hahazo izay rehetra irina.

Ny amin'ireo tsiambaratelon'
Ny fiainantsika olombelona
Iriko ho hay mba hampitaiko
Ho hitanao ry sombinaiko
Mba ho fantatrao mazava
Sy ho tsinjo lalandava.
Izao no iriko homena an-dria:
Fiainan-tsambatra doria.

Izay vao fantatro tanteraka
Nampiova ny fisiako ilay minitra ianao teraka
Ka raha mitady hampahory anao ny tany
Ho eo aho ho anao
Ho anao hatrany.

Teri Moïse, Je serai là (Les poêmes de Michelle)
Dikanteny malalaka : DotMG
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
1453 0
Hevitra mandeha
Raloufou ( 02/11/2013 16:33)
tsar b l iz!zan n tena kanto ao anatin ra mikorian fitia ampita h an'i lova.tik b l iz.mahrez mzt.ef ten ao anatinw n kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DotMG
Nampiditra : DotMG
Daty : 30/10/2013 07:51
Antsantononkalo
Nantsain'i Ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01