Iny alina iny. (DotMG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy mantsy irony alina
Ahatsapana fahasambarana
Ao anaty nofy lalina,
Ka toa satry tsy hifarana.

Misy koa ny fahamaizinana
Satrinao mihitsy haharitra
F'ao anaty fahanginana no
iainan-java-mahafinaritra.

Satrinao ny akoho tsy haneno
Hanambara ny maraina,
Fa ny fonao mbola feno
Rotsirotsy tsy hay lazaina.

Ny oram-pamantaranandro
Satrinao raha mba hihisatra
Irinao ilay masoandro
Hidaraboka hibolisatra,

Na mba hoe hitaredretra
Raha ihany hoe tsy maintsy ho avy
F'ianao mitovy tarigetra
Amin'irony mpamosavy

Eny, ianao tsy mety laizin'
ny hatsiaka mampangovitra
Satrinao ilay voalin'ny haizina
Tsy ho rava, tsy ho rovitra.

Saingy faniriana ihany
Nofinofy revin-gadra
Tsy ho to akory izany
Na hitomany, hidradradradra.

Ka tsenao am-pitsikiana
Ny marainanao vaovao
Eny, raiso an-kafaliana
Ny androm-pahavelomanao.

Dia izay vita hatreo aloha
No ataovy fahatsiarovana
Hanovozana herim-po
Raha tojo oram-palahelovana

(28 sept 2011.)
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
1685 1
Mpakafy: pissoa
Hevitra mandeha
Zozoro ( 06/10/2011 18:06)
Tao anatin'ny aizina tao
Nifamihina izaho sy ianao
Sefosefom-pitia tsy hita lany...
...Nanadino ny eto an-tany...


Tsara. Mankasitraka tokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015