Poeta afa-tsakana (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry poeta manan-tsata
Aza kivy, manorata Mazotoa mitatatata.

Eo sokafy irony vata,
mitahiry kalo, tsanta, dia ny masaka sy manta;

Dia tonóny am-peo mihanta
Na malaza na tsy fanta- try ny mpihaino, mpankafy.

Asio hira, ovay ho dihy
Handrovitantsika tsihy Fa tena maro anie no tia.

Ry poeta efa ngeza
Mamoróna, mahereza Mba ny kalonao hateza.

Mipetraha, mahazoa seza
ka ny rima apololory Ny tena eja no atolory.

Aza avela hisy hatory
Izahay rehetra vory Handre anao tsy lany bala

Fa ny sakana efa niala
Eny, tsisy mpankahala Ny rehetra no mandala.

DotMG, 22 mars 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
952 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0491